
Zoma 29 septembre 2023: Fetin’i Arkanjely Misely, Gabriely ary Rafaely. Samy voateny ao amin’ny Soratra Masina ireo Arkanjely ireo.
Samy voateny ao amin’ny Soratra Masina ireo Arkanjely telo ireo: i Misely amin’ilay ady nataony tamin’ny anjely mpikomy (Daniely12,1); i Gabriely tamin’izy nanambara tamin’i Masina Maria ny hiterahany an’i Jesoa (Lioka1,26-38); i Rafaely tamin’ny nanampiany an-dry Tôbia (Tôbia12,15).
Hita amin’ireo tantara ireo fa midera an’Andriamanitra andro aman’alina any an-danitra ny Anjely no manatanteraka koa ny sitrapony mikasika antsika olombelona.
Akambano amin’ny fiderana ataon’ireo tandapan’ny lanitra ny fiderana ataontsika an’Andriamanitra.
“Anjely mpiambina anay,ambeno sy arovy ny tenanay”