
Tontosa androany Zoma faha-6 oktobra 2023 maraina, teny amin’ny ivon-toeran’ny CFPMA Ivato ny famoahana ireo mpianatra miisa 77.
Mpiofana nanaraka ny fiofanana ara-kasa: Coiffure et esthétique sy Pâtisserie et Traiteur ary mpianatra nahavita ny fianarana: Coupe et couture, Agent Commerciale ary Comptabilité moa ireto navoaka androany ireto ary nozaraina ny “Certificat de fin de formation” ho marik’izany.
Nanomboka tamin’ny sorona masina, ary nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenan’ireo olona manankaja sy mpiara-miasa amin’ny CFPMA Ivato. Nahitana ny Ben’ny Tananan’ny Ivato Atoa Penjy Randrianarisoa, ny solotena avy amin’ny @Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Ara-kasa, izay tonga nanome voninahitra ny fotoana ihany koa. Notohizana tamin’ny fampiratiana ny asa vitan’ireo mpianatra sy mpiofana ny lanonana ka nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fizarana ny mofomamy lehibe.
Mirary soa ho azy ireo izahay ato avy amin’ny BTD FMA – Madagasacar.













