
Masera mirahavavy nanonona ny voady mandrakizay amin’Andriamanitra.
Ny voady maharelijiozy Dia fifanekena fatora-pitiavana ao amin’Andriamanitra sy ny olona atsoina. Tononina amin’ny voady fa fiainana lalindalina kokoa ny batemy ny voady. Tsy sakramenta izy ka tsy atsoina hoe fanamasinana fa Ilay te hanolo-tena no milaza ny fanapaha-keviny te hanolo-tena mandrakizay. I Kristy no fiainana, ka matoky fa raha mandao izao rehetra izao dia hahazo zatoheny eto an-tany sy any ankoatra. Tsisy isalasalana ny amin’izany satria tenin’i Jesoa. Aza matahotra hiroso ary anao.













