
Manao fihaonana eto Lusaka-Zambie ny masera FMA: city of Hope. Mornese spirituality centre.
Manao fihaonana eto Lusaka-Zambie ny masera FMA : mère Générale mère Chiara miaraka amin’ireo mpanolo-tsaina azy 09 no Tonga fa 16 izay ireo. Atsoina hanatrika izao fivoriana izao ny mpanolo-tsaina (conseillères) isaky ny province, ny mpiandraikitra ireo commission tsirairay ( formation,mission, communication, famille Salésienne, administration,pastorale) izay mandrafitra ny fandaminana rehetra eo anivon’ny province. Province sivy no mandrafitra ny conférence Afrique-Madagascar. Masera 7 no solontenan’i Madagascar. Haharitra herinandro ny fivoriana. Fanentanana, fampitana hafatry ny chapitre général sy fijerena akaiky ny fikambanana aty amin’ny faritra Afrika no atao. Miombom-mbavaka hoan’ny fanatsaràna ny fanabeazana.








