
Fanolorana ireo “Kit de démarrage” ho an’ ireo vehivavy folo nivoaka tato aminy CFP Ampasanimalo .
Notontosaina androany alatsinainy faha -24 Jolay 2023 ny fizarana fitaovana sy vola ho an’ireo vehivavy folo nivoaka tamin’ny andiany “VEHIVAVY MIEZAKA”, ny zoma faha Jolay lasa teo. Ary tanteraka izao nohon’ny fiaraha-miasa teo amin’ny BTD FMA – Madagasacar sy ny Manos Unidas, izay nanampy tamin’ny famatsiana ka nahazahoana ny fitaovana sy ny vola.
Natao izao ezaka izao mba hahafahan’izy ireo anomboka avy hatrany ny tetikasa sy ny fandraharahana tian’izy ireo hatao avy tamin’ny fiofanana izay nataon’izy ireo nandritran’ny roa volana mahery. Eo ihany koa ny mba ho fanohanana ny vehivavy amin’ny ezaka tiany hatao sy ny fahaleovan-tenany ara-bola mba hahafahany mampivoatra ny fiainany sy ny ankohonany.
Mbola mitaona ny vehivavy rehetra izany koa ho tonga hanantona sy hisoratra anarana eny amin’ny CFP Ampasanimalo, raha toa ka liana sy manam-paniriana hiofana tahaka ireto vehivavy ireto.








